<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.H. Doane</author>
<title>Iza no hitantara ny Tompo Jesosy FFPM309</title>
<lyrics>[V1]
 Iza no hitantara
 Ny Tompo Jesosy,
 Ilay nandao ny lapa
 Ka nidina tatý ?
 Nitafy nofo Izy,
 Nanetry tena koa ;
 Ka maty ho Mpisolo
 Izao rehetra izao
 Iza no hitantara (in-3)
 Ny Tompo Jesosy ?

[V2]
 Iza no hitantara
 Ny fitiavany ?
 Fa tia ny mpanota
 Mahantra, very koa ;
 Ka izay manatona Azy
 Dia tsy hariany,
 Fa raisiny tokoa
 Mba ho sakaizany ;
 Iza no hitantara (in-3)
 Ny fitiavany ?

[V3]
 Iza no hitantara
 Ny zava-marobe ?
 Izay raisin'ny voavonjy
 Amin'ny alalany ?
 Tsy mbola hita maso,
 Na ren'ny sofina,
 Na takatry ny saina,
 Ny hasoavany ;
 Iza no hitantara (in-3)
 Ny hasoavany ?

[V4]
 Iza no hitantara
 Ny soa be arý ?
 He! lova tsara fara
 Hasolo ny atý ;
 Any an-danitra any
 Be haravoana,
 Fa ao ny Tompo Jeso
 Izay hifaliany ;
 Iza no hitantara (in-3)
 Ny soa arý ?</lyrics>
<hymn_number>309</hymn_number>
</song>